Hymnals
United Church of God, an international association
1. TAHIANA SY SAMBATRA
« Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina. » (Salamo 1:2)
Miala amin'ny lalan’ny mpanota ratsy fanahy.
Izay ataony lavorary; tsy toy izany ny mpanota,
Akofa etin-drivotr’izy, mankatsỳ mankarỳ.
Lalàn'Andriamanitra no saininy hatrany.
Mamoa amin'ny fotoany; maitso ny raviny.
FEONY: Dwight Armstrong
------------------------------
2. SALAMO 1
Izay tsy miray amin'ny mpanota na mpaniratsira.
Fa ny lalàn'ny Tompo no loharanonaina;
Misaintsaina izany izy andro aman’alina.
Izay mamoa amin'ny fotoany maitso ravina foana,
Izay rehetra ataony mahomby avokoa,
Ireo ratsy fanahy kosa akofa entin-drivotra.
Amin’ny fiangonan'Andriamanitra tsy eo ny mpanota;
Eo anatrehan’ny Jehovah nylalan’ny marina;
Fandringanana mandrakizay no lalan’ny ratsy fanahy.
Mozika: Mark Graham
3. MATOKIA AN’ANDRIAMANITRA ARY MATAHORA AZY
-----------------------
4. HENOY NY TENIKO, JEHOVAH O
Tompo ô, Henoy ny fitarainako, hivavaka aminao aho.
Tompo ô, hihaino ny feoko amin’ny maraina Hianao;
Hivavaka maraina aho, miandrandra valiny.
Ny lozabe sy ratsy fanahy / tsy hahajanon’ eo imasonao.
Halanao ny mpanao ratsy, haringanao ny mpandainga;
Ny mpandatsa-drà sy mpamitaka / samy ankahalainao.
Hiankohoka amin'ny tahotr’ eo amin'ny fitoera-masinao.
Tariho amin'ny fahasoavanao / noho ny fahavalonao,
Ary amin'ny fahamarinanao, handeha amin'ny lalanao.
Jehovah hamaly ny ratsy fanahy mikomy Aminy.
Fa n’ marina sy matoky Anao homenao fitahiana;
Famindram-po no aodidinanao azy / toy ny ampingany.
----------------------
5) MIVERENA, ANDRIAMANITRA ô, KA VONJEO AHO
Na fahavinirana mirehitra / no hamaizanao ahy.
Mamindrà fo amiko, asehoy ahy ilay fahasoavanao;
Sitrano aho Raiko ô, fa reraka sy marary aho.
Miverena ka vonjeo aho; afaho ny fanahiko,
noho ny fitiavanao, noho ny famindram-ponao;
Fa any am-pasana / tsy misy fisainana Anao.
ary reraka aho misento / noho ny fahavaloko.
Andriamanitra efa nandre; Namaly vavaka Izy.
Hangovitra / ka ho menatra ny fahavaloko.
6. ENDREY NY HATSARAN’NY ANARANAO
1. Endrey ny voninahitry ny anaranao / Jehovah Tomponay!
Nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao!
Ny vavan'ny zaza madinika / no nametrahanao hery
Hanorotoro ny fahavalo; sy ireo mpamaly ratsy.
2. Raha miandrandra ny lanitra / nataon'ny rantsan-tànanao,
Dia ny volana sy kintana / izay voatendrinao;
“ Inona moa ny olona, no hotsarovanao?”
ary koa zanak'olona, no hiaro azy Hianao?
3. Fa efa nataonao ambany kely / noho ny anjely izy;
Nosatrohinao voninahitra / sy fiandrianana.
Ampanjakainao amin'ny asanao rehetra izy,
Endrey lehibe ny anaranao Jehovah Tomponay!
Tonony: Salamo 8: 1-8
-----------------
Ianao nanao ny voninahitrao / mihoatra noho ny kintana.
Avy amin'ny vavan'ny zaza minono / no nametrahanao,
Hery hampitsaharana ny fahavalo, sy ny ratsy fanahy.
Ny volana sy ny kintana, izay voatendrinao;
Dia hoy izaho: Inona moa ny olona, no tsaroanao
ary koa ny zanak'olona, no hamindranao fo?
Ary nasiana satro-boninahitra / eo amin’ny lohany.
Ampanjakainao amin’ny zavaboary / sy ny asanao izy;
Dia ondry aman'osy sy ny biby an-tany sy ranomasina.
----------------
8) HIDERA ANAO AHO, JEHOVAH Ô!
“Hilaza ny asanao mahagaga rehetra aho.”— Salamo 9:1
1. Hidera Anao aho Jehovah Ô; Haneho ny asanao lehibe!
Andriamanitra Avo indrindra Ô, hankalaza ny anaranao.
Fa hiamboho ny fahavaloko, ho lavo anatrehanao.
Jehovah no mitsara marina, hanapaka mandrakizay!
2. Velona mandrakizay ny Tompo, handringana ny ratsy fanahy;
Hariany mandrakizay ireo, tsy tsiarovany intsony.
Fa mitsara marina Izy; Manjaka amin’ny rariny;
‘Zay mahalala Azy matoky Azy; Tsy mahafoy ny Anarany.
3. Ho an’i Jehovah, Izay ao Ziona, Miderà ny Anarany;
Ambarao amin'ny jentilisa! Ambarao ny asany!
Mamaly ny olony rehetra Izy / tsy manadino izay mitaraina.
Ho an'i Jehovah, Izay ao Ziona, Mihirà ny Anarany;
Soratra Masina: Salamo 9:1-20
Mozika: Dwight Armstrong
-------------------
9. AMBARAO AMIN'NY FIRENENA REHETRA NY ASANY!
“ Ary Hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana Izy. Salamo 9:8
1. Hihira amin'ny foko rehetra aho, ry Avo Indrindra, hidera ny Anaranao,
Hanambara ny fahalehibiazanao. Hifaly sy hiravoravo aminao aho!
Lavo eo imasonao ny fahavaloko; satria ny teniko sy tarainako nohenoinao
Jehovah hitsara amin’ny seza fiandrianany; Hitoetra mandrakizay Izy!
2. Hanjaka araka ny hitsiny Jehovah, hitsara ny tontolo amin'ny fahamarinana.
Ireo ampahorina izay mitady Azy, Izy no fialofany.
Fa tsy mba hohadinoin’ny Tompo ireo matoky sy mialoka Aminy.
Miderà an'i Jehovah; ambarao amin'ny firenena rehetra ny asany!
3. Jehovah Avo indrindra mitoetra ao Ziona; Tsy mba hanadino ny olony Izy;
Ambarao ny asany mahagaga; tsy manadino ny tarainany Izy.
Tompo ô! Omeo tahotra ny firenena manadino fa Hianao no Jehovah.
Tompo ô! Mitsarà marina! Aoka hahatsiaro ny firenena fa olona ihany izy!
Soratra Masina: Salamo 9:1-4; 7-12; 19-20
MOZIKA: Dwight Armstrong
-------------------
10. IZA NO HONINA EO AMIN'NY HAVOANANAO MASINA?
“Izay mandeha tsy misy tsiny sy manao ny marina ary milaza ny marina ao am-pony” Salamo 15:2
1. Ô Jehovah, iza no honina amin'ny tempolim-pahasoavanao?
Iza, amin'ny havoanao masina, hitoetra am-pilaminana?
Izay mandeha amin'ny fahamarinana, ny asany rehetra mahitsy
Izay milaza marina ny teniny, avy anaty fahatsora-po.
2. Izay tsy manan-dela ratsy mamitaka, manendrikendrika;
Izay tsy manisy ratsy ny namany, manala baraka azy.
Izay tsy maka zana-bola, na mandoto tànana amin'ny kolikoly;
Izay mandrafitra ny ainy toy izany dia haharitra mandrakizay.
Tonony: Salamo 15; Mpihira Salamo United Presbyterian Church, 1887; alt.
Feony: Dwight Armstrong
------------------
11. NY LANITRA MANAMBARA NY VONINAHITR'ANDRIAMANITRA
1. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra, ny habakabaka ny asan'ny tànany;
Ny teniny dia mivoaka isan'andro isan'andro, ary ny fahalalany isan'alina.
Tsy misy teny na fiteny anefa; Tsy re na oviana ny feony;
Nefa miely hatram faran' tany ny teniny, ary ny feony eran’izao tontolo izao.
2. Ny lanitra no nanaovany lay ho an’ masoandro, Izay mivoaka tahaka ny ampakarina,
mandao ny efi-tranony mamirapiratra, mba handeha amin' alehany amim-pifaliana.
Avy any am faran'ny lanitra no iposahany, ary any koa no iafarany;
Ary tsy misy takona amin'ny hafanany, Tsia, tsy misy takona aminy.
3. Ny lalàn'Andriamanitra dia lalàna tonga lafatra, fa mampibebaka ny fanahy;
Marina ny tenin'Andriamanitsika, mampahahendry ny kely saina.
Mahitsy sy madio ny didin'Andriamanitra / ka mahafaly ny fo;
Ny didin'ny Tompo dia madio sy mazava, manome fahazavana ho an'ny saina.
Soratra Masina : Salamo 19:1-14
-------------------
12. MAHITSY NY FITSIPIK’I JEHOVAH
1. Ny lalàn'i Jehovah no marina, mamelombelona ny fanahiko. Ny teni-vavolombelony mampionona, sy manome fahendrena.
2. Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mampifaly ny fo; madio avokoa ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.
3. Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; tsisy tsiny ny didim-pitsarany, marina avokoa.
4. Enga anie ny tenin' vavako / sy ny fisainan'ny foko, hiakatra sy hankasitrahanao, ry Vatolampy Mpanavotra!
Soratra Masina : Salamo 19: 1-14
-------------------
13. JEHOVAH O, IANAO NO MPIANDRY AHY
1. Jehovah ô, Ianao no mpiandry ahy; / tsy hanan-java-mahory aho. Fa mitondra ahy / amoron'ny rano Hianao, / mamelombelona ny fanahiko.
2. Mitondra ahy amin’ lalan'ny fahamarinana Izy, / noho ny anarany masina. Na dia manakaiky / fahafatesana aza aho, / dia tsy hanan-tahotra.
3. Ny tsorakazonao sy ny tehinao; / ireo no mampionona ahy. / Efa namelatra / ny latabatro / teo imason'ny fahavaloko Hianao.
4. Manosotra ilo ny lohako Ianao; / ny kapoakako feno dia feno; / ary ny fahasoavanao /no hanaraka ahy / sy ny famindramponao.
5. Eny, ny fahasoavanao sy ny famindram-po / no hanaraka ahy mandrakizay; / ary hitoetra ao / an-tranonao aho, / ka tsy ho reraka.
Soratra Masina: Salamo 23: 1-6
--------------
C-14. JEHOVAH NO MPIANDRY AHY
1. Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory,
Mampandry ahy amin'ny / ahi-maitso Izy. Mitarika ahy eo amoron'ny / rano tony Izy. Mampitony sy mitarika ahy / am’fahamarinana Izy. Mampitony sy mitarika ahy / am' fahamarinana Izy.
2. Na dia mandeha mamaky / ny fa’fatesana aza aho, / dia tsy hatahotra ny loza, f’Hianao no amiko. Amin'ny tehina sy tsora-kazo / no iarovanao ahy. Tsy hisy loza hanjo ahy / raha eo n’ Mpampionona. Tsy hisy loza hanjo ahy / raha eo n’ Mpampionona.
3. Mamelatra latabatra / imasom-pahavaloko Hianao; Manomana fitahiana; feno ny kapoakako. Manosotra diloilo manitra / ny lohako Hianao. Fahasoavana sy famindram-po / no hanaraka ahy. Fahasoavana sy famindram-po / no hanaraka ahy.
4. Tompo ô, ny hatsaram-ponao / sy ny fitiavanao, / dia ho amiko amin'ny andro / rehetra hiainako. Hanaraka ahy mandritra ny androko / ny fahasoavanao. Dia hitoetra andro lava / ao an-tranonao aho. Dia hitoetra andro lava / ao an-tranonao aho.
Soratra Masina: Salamo 23: 1-6
-------------
15. JEHOVAH NO MPIANDRY AHY
1. Jehovah no Mpiandry ahy, / tsy hanan-java-mahory; Ahi-maitso, ampandriany ahy; Rano tony, itondrany ahy.
2. Ny fanahiko velominy, / Ny lalany ampianariny ahy; Fahamarinana no lalany, / noho ny anarany.
3. Aloky ny fasana n’lalako, / tsy hatahotra loza aho; Ny tehinao miaro ahy, / Jehovah Tompoko.
4. Mamelatra n’latabatro / imasom-pahavaloko Izy; Diloilo ahosony ny lohako, / feno ny kapoakako.
5. Fahasoavanao hanaraka ahy / mandritra ny androko, An-tranonao mandrakizay / no hitoerako.
Soratra Masina: Salamo 23: 1-6
--------------
16. NY MPIANDRY AHY NO HANOME IZAY ILAIKO
1. Ny Mpiandry ahy / no hanome izay ilaiko; Mandrakizay no anarany. Ao amin'ny ahi-maitso / no hamelomany ahy, eo amoron’ ony velona. Mamerina ny fanahiko / nirenireny Izy, raha nahafoy ny lalany aho; Ary mitarika ahy, noho ny famindram-pony, amin'ny fahamarinana Izy.
2. Raha mamaky ny lohasaha, aloky ny fasana aho, Ny fanatrehanao n’ fialofako; Ny teny iray / avy am’ fofonainao, no mandroaka ny tahotro. Ny tananao, eo imasom-pahavalo, no mamelatra n’latabatro; N’kapoakako fitahiana, feno tondraka, diloilo ahosotrao ny lohako.
3. Fanomezana azo antoka / avy amin'Andriamanitro: momba ny androm-piainako Izy; Enga anie ny tranonao / ho fonenan'ny foko, Ary ny asako hiderako Anao. Ao no hahitako / fitsaharana milamina, raha ny hafa mirenireny; Tsy vahiny intsony aho, na toy ny olon-kafa, Fa tena zanaka ao an-trano.
© Soratra Masina : Salamo 23: 1-6
-------------
17. ATOLOTRO ANAO NY AIKO TOMPO Ô !
« Andriamanitro ô, Hianao no itokiako » (Salamo 25:2)
1. Atolotro anao / ny aiko Tompo Ô; Aoka tsy ho menatra aho, / reseo ny fahavaloko.
Tsy hanan-kenatra / izay miandry Anao, F’ izay manota aminao, / hitondra henatra.
2. Toroy ny lalanao; / Ampianaro aho; Tariho ny fahamarinanao, / mpampianatro Hianao.
Hianao Jehovah Ô / no famonjena ahy; Ary mandritry ny andro no / iandrasako Anao.
3. Tsarovy Tompo ô, / ny famindram-ponao; Fa hatrizay izany nomenao / izay miandry anao;
Ny fahotako sy / ny hadisoako, Noho ny hatsaram-ponao / hadinoy avokoa.
Tonony: Salamo 25:1-22; The Scottish Psalter, 1650
FEONY: Dwight Armstrong
-------------
18. MARINA SY MAHITSY ANDRIAMANITSIKA
1. Marina sy mahitsy Andriamanitra; ny lalany hasehony ny mpanota. Hotarihany ny mpandefitra, hahafantatra ny lalany. Azo antoka ny lalan'i Jehovah / fahamarinana sy famindram-po / ho an’zay mitandrina ny fanekeny / sy ny teni-vavolombelony.
2. Koa noho ny anaranao, / mangataka aminao aho / mba hamelanao ny heloko, fa leh’be tokoa izany. Iza no olona matahotra / ka manompo an'i Jehovah? Hampianarany azy ny lalany, izay tokony hofidiny.
3. Ny fanahiny hitoetra hiadanana, / ny taranany hiroborobo, ny olo-masina sy marina / no handova sy honina am’ tany. Ao am'izay matahotra Azy / ny zava-miafin’i Jehovah; ny fahalalana ny fanekeny / no homeny azy ireo.
Soratra Masina: Salamo 25:1-22
-------------
19. NY MASOKO MIJERY NY TOMPO MANDRAKARIVA
1. Ny masoko mijery / ny Tompo mandrakariva; F’Izy no hanafaka ny tongotro / am’ fandrika harato.
Ampahitao ny tavanao, ary amindrao fo; Irery sy mahantra aho. Ô, vonjeo ny olonao!
2. Ny fahorian'ny foko; dia efa mihalehibe; Jereo ny fanaintainako, avelao ny heloko;
Jereo ny fahavaloko, fa maro indrindra ireo, Loza ny fankahalany ahy. Ô, vonjeo ny olonao!
3. Arovy ny fanahiko, afaho am’ratsy aho, / Aza avela ho menatra, satria matoky Anao;
Aoka ny fahitsiako / no hiarovanao ahy, Tompo ô, afaho ny Israely / amin'ny fahoriany.
Soratra Masina: Salamo 25:15-22
-------------
20. Sambatra izay voavela heloka
1. Sambatra izay voavela, tsy isain'ny Tompo heloka; Izay mankany amin'ny Ray ka / miaiky ireo fahotany;
Fa voasarona ny helony, ary anarin'ny Tompo hoe: / “Izaho hanoro anao ny lalana / tokony halehanao.”
2. Be ny fahorian' mpanota, lala-marina tsy fantany. Aza toy ny ampondra sy soavaly, lamboridy mifehy azy;
Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina miravoa! Mihobia ianareo mahitsy, tsisy fitaka ny fanahy.
3. N’ tànan'Andriamanitra tamiko, nitoloko aho andro aman’alina. N’ fahotako no nambarako; namela ny heloko Izy.
Aoka hivavaka ny olo-marina, raha mahita ny Tompo; Mifalia ry olo-marina; mihobia ry mahitsy fo;
Soratra Masina: Salamo 32: 1-11
--------------
21. SAMBATRA NY FIRENENA IZAY MANANA AN'I JEHOVAH
Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. — Salamo 33 : 12
1. Sambatra ny firenena an'Andriamanitra, sy ireo olom-boafidiny; Avy any an-danitra Andriamanitra, mitsinjo ny firenen-drehetra.
Fa avy any ambony no ijereny; mahita ‘zay rehetra ataony Izy; Mahita ny fahotany sy ny asany, mijery ‘zay matahotr’Azy Izy.
2. Ry olo-marina ao am’ Tompo, mifalia! mendrika ny mahitsy ny midera Azy; Mankalazà Azy amin’ny valiha, mihirà fihiram-baovao mahafaly!
Marina sy mahitsy ny Tenin'Andriamanitra, ny asany rehetra mahatoky; Mameno ny tany ny famindram-pony, tia rariny sy fa’marinana Izy.
3. Ny Teniny nanaovany ny lanitra, nangoniny n’ranomasina, / tao am’ trano fitehirizana lalina; aoka ny tany hatahotra Azy.
F’ Izy no niteny dia nisy ny tany; Aoka ny olona hanompo Azy; Izy no nandidy azy hitoetra mafy; ny teniny nanaovany ny lanitra.
4. Ny miaramila tsy mahavonjy mpanjaka, ny haben’ny hery tsy mahavonjy; Ny tanjaka sy hery ary soavaly, tsy mahavoavonjy ny olo-mahery;
Fa ny mason'Andriamanitra mitsinjo ny marina, mivavaka sy mialoka Aminy; Izay miandry sy matahotra Azy, ka matoky ny Andriamanitr’ Isiraely.
Soratra Masina: Salamo 33:1-22
---------------
22. Hidera an’i Jehovah amin’ny fotoana rehetra aho
Salamo 34
1. Hisaotra an'i Jehovah mandrakariva aho, ary ho feno fiderana Azy. Andeha isika hidera ny anarany, hiara-mankalaza ny Tompo.
2. Sambatr’ izay matoky ny Tompo; ny olony masina hatahotra Azy. Tsy hanan-java-mahory akory; Andramo ka izahao fa tsara Izy.
3. Anaka, henoy ny feon’ny mpananatra: “Matahora an’i Jehovah.” Arovy ny lelanao tsy hiteny ratsy, ary ny molotrao tsisy fitaka.
4. Andriamanitra manafaka am’ fahoriana; mihaino n’ taraina sy tebiteby. Manavotra ny mpanompony mahatoky; mitadiava fialofana Aminy.
© Tonony : Salamo 34: 1-22
----------------
23. Halaviro ny ratsy
Salamo 34
1. Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
Ny mason'i Jehovah mitsinjo ny marina; Ny sofiny mihaino ny tarainany.
Ny tavan'i Jehovah manohitra ny ratsy, tezitra am’ ratsy fanahy Izy;
Mba hofongorany tsy ho eo am’ tany, esoriny ny fahatsiarovana azy;
2. Mitaraina ny marina, dia mihaino Jehovah, Izy manafaka azy am’ tahony.
Akaikin’ny malahelo fo Andriamanitra, n’ torotoro am-panahy, mamonjy azy Izy.
Maro ny fahoriana mahazo antsika, nefa mamonjy ny olo-marina ny Tompo;
Ny mandrakizay no mamonjy azy, mamonjy ny olo-marina am’ fahoriany Izy.
3. Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
Miaro ny taolan'ny marina Andriamanitra; ts’hisy ho tapaka na iray akory aza.
Ny fahoriana hahafaty ny ratsy fanahy, ny mankahala olo-marina hohelohina;
Jehovah manavotra izay mialoka Aminy, tsy mba hohelohina ny olony.
Tonony : Salamo 34: 1-22
---------------
24. Miantombena tsara miandry sy manantena an’i Jehovah
Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; — Salamo 37 : 7
1. Aza mialona ny mpanao meloka, na ny mpandika lalàna; Fa hojinjaina toy ny ahi-maitso izy, vetivety dia halazo.
Ankino am’ Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy; Dia hiadana fahizay ka hovokisana ianao.
2. Apetraho am’ Jehovah ny fitokianao, ankino Aminy ny lalanao; Dia homeny ‘zay irin'ny fonao, sy izay tadiavinao.
Mitsahara amin'ny fahatezerana, mahafoiza ny fahavinirana; Aza mialona na tezitra noho ny amin'ny ratsy fanahy.
3. Aoka tsy hirehitra am’ mpanao meloka ny fahatezeranao; Vetivety dia haringana izy, ary tsy ho hita ny fonenany;
Manantenà an’Andriamanitra, matokia Azy am' fahanginana. Dia hifaly amin'ny haben’ny fiadanany ianao.
Soratra Masina: Salamo 37: 1-11
----------------
25. RY MPITSARA MARINA
Salamo 43
1. Tompo ô, arovy am’ fahavaloko aho, izay miampanga mamitaka; Ianao no heriko, vonjeo ny fanahiko, afaho am’ mpanao meloka aho;
Ampandehano hitarika ahy ny / fahazavana sy fahamarinanao; Dia tariho ho any amin’ny fonenanao, any an-tendrombohitrao masina.
2. Dia ho tonga amin' alitaranao aho, ry Andriamanitry ny fifaliako; Ary hankalaza amin'ny lokanga aho, Ianao Tompo Andriamanitro!
Nahoana n’ mitanondrika ny fanahiko; nahoana no mitoloko ianao? Manantenà fa mbola hidera Azy, ‘zay Mpamonjy sy Andriamanitro!
Tonony: Salamo 43: 1-5
----------------------
26. TOMPO ô, EFA RENAY
1. Tompo ô, efa renay tamin’ny razanay
Ny asa lehibe vitanao, tamin'ny androny fahiny; Torotoro ny firenena, noroahin'ny tananao,Mba honina ao amin'ny taniny ny vahoakanao.
2. Tsy tam’ lelan-tsabatra no nahazoany ny tany; Ny sandriny tsy azo antoka / hitondra famonjena; Fa n’ fahazavan’ny tavanao, ry Mpamonjy Tompoko, Ny herin’ny Teninao, io no hanafaka ahy!
3. Ny tsipika sy ny sabatro tsy hahavonjy ahy; Fa ny tananao ankavanana, no hampahalalaka ahy; Noresenao ny fahavaloko, nataonao menatra izy, Hoderainay mandrakizay, ny anaranao masina.
Soratra Masina: Salamo 44: 1-4
----------------
C-27. Andriamanitra no aro ho antsika.
1. Jehovah no aro sy hery ho antsika / amin'ny fahaterena; Koa na d’ho levona aza ny tany, dia tsy hatahorantsika.
2. Na hifindra anaty ranomasina ny havoana; ka misamboaravoara, Eny, misafoaka mafy ny onjany; n’ tendrombohitra mihorohoro.
3. Misy ony mampifaly n’tanànan'Andriamanitra / amin'ny sampany; Ny fonenan’ny Masin’ny Avo Indrindra, Andriamanitra eo afovoany.
4. Andriamanitr’i Jakoba no mitoetra ao aminy, ka tsy mba hihetsika Izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa akaiky ny maraina.
Tonony: Salamo 46: 1-11
---------------------
28. Avia, jereo ny asan’i Jehovah
1. Andriamanitra ô, aroko sy heriko Ianao, / amin’ny fahoriana Mpamonjy Izy;
Na dia ho levona aza ny tany, / dia tsy hatahorantsika akory.
Ny tendrombohitra mihorohoro; / niteny Izy dia niempo ny tany;
Jehovah Tompon'ny maro no aro ho antsika; / hery ho antsika ny Andriamanitr'i Jakoba.
2. Ny sampan’ny ony velona mikoriana, / n’ tanànan'Andriamanitra ampifaliany;
N’ voninahitry ny lanitra miposaka / amin’ny Fitoerany Masina.
Ziona nataony ho fonenany; / tsy hangozohozo intsony izy;
Jehovah Tompon'ny maro no aro ho antsika; / hery ho antsika ny Andriamanitr'i Jakoba.
3. Avia, jereo ny asan'i Jehovah, / dia n’ fahagagana ataon'ny tanany;
Rava ny fanjakana amin’ny tany, / mikotrankotrana ny firenena,
"Mitsahara, Izaho no Avo Indrindra; / hisandratra amin'ny tany Aho;”
Jehovah Tompon'ny maro no aro ho antsika; / hery ho antsika ny Andriamanitr'i Jakoba.
Tonony: Salamo 46: 1-11
------------------
29. Ny Tendrombohitra Ziona no tsara indrindra
1. Lehibe Jehovah Tompontsika, ka mendrika hoderaina!
Ao an-tanànan'Andriamanitsika, ny tendrombohiny masina.
Ny tendrombohitra Ziona no tsara indrindra, fifalian'ny tany rehetra!
N’ tanànan'ny Mpanjaka mahery / eo amin' ilany avaratra.
2. Ao an-tranon'andriana Andriamanitra, fiarovana avo Izy;
Indreo, niangona n’ mpanjaka maro, / niara-nandroso avokoa.
Very hevitra sy talanjona ireo, hovitra nanjo azy;
Teo imasonao raiki-tahotra ireo, nalaky nandositra.
3. Izay efa renay no hitanay / ao an-tanànan’ny Ray;
Jehovah Tompon'ny maro no nanao / ilay tanàna mandrakizay.
Nosaininay ny famindram-ponao / am’ fitoeranao masina;
Jehovah ô, noho ny anaranao, n’ tany rehetra midera Anao.
Soratra Masina: Salamo 48: 1-10
-----------------
30. Misaora sy miderà
1. Henoy ny feoko, ry Isiraely, fa hanambara Aho,
Anio hananatr’ anao Aho, Izaho no Andriamanitrao.
Ny biby re’tr’ eny an-tendrombohitra, dia fantatro avokoa;
Ny zava-mihetsiketsik’ eny an-tsaha, dia samy eto amiko.
2. Mihirà fihobiana ho an'ny Avo Indrindra; misaora sy miderà;
Amin’ny andro fahoriana antsoy Aho, f’ hamaly anao Aho.
Hihinana ny nofon'ombilahy va Aho, na hangataka fanatitra?
Manatera fanati-pisaorana ho Ahy; efao ny voadinao.
3. Fa amin’ny ratsy fanahy kosa, dia hoy Andriamanitra:
"Ahoana no itorianao ny lalàko? nefa lavinao n’ teniko;
Fanati-pisaorana no atero izao / ho fanajana Ahy;
Fa izay mitandrina ny lalany, Izaho hamonjy azy.
Soratra Masina: Salamo 50: 7-23
-------------------
31. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô!
1. Amin'ny fahasoavanao, Tompo ô, mamindrà fo amiko;
Amin'ny haben'ny fiantranao, vonoy ny heloko.
Sasao madio ho afa-keloka, diovy h’ afa-pahotana;
Fa tsaroako ny fahadisoako; ekeko ny heloko.
2. Taminao no nanotako, meloka eo imasonao,
Mba ho marina Ianao raha mitsara / sy mananatr’ ahy.
Afeno eo imasonao n’ fahotako; vonoy ny heloko;
Amorony fo madio, havaozy ny fanahiko.
3. Havaozy marina ny fanahiko; aza manary ahy,
Ny Fanahinao Masina ato amiko, aza esorinao;
Ampodio amiko ny fifaliana / avy amin’ny famonjenao;
Ary tohano Fanahy mazoto, ambeno mandrakizay.
4. Fa tsy fanatitra no sitrakao, rah’ izany d’ nomeko ihany,
Ny fanatitra dorana, tsy mba sitrakao
Fa n’fanatitra ho an'Andriamanitra / dia fanahy torotoro,
Ny fo torotoro sy marina, Tompo o! tsy lavinao.
Soratra Masina: Salamo 51:1-17
--------------------
32. Vonjeo amin’ny anaranao aho, Andriamanitra ô !
1. Tompo ô ! Vonjeo amin' herinao aho, omeo rariny.
Ny teniko sy fivavako, mba henoy Tompo ô !
Ny hafa firenena no mitsangana hamely ahy;
Mitady ny aiko ireo lozabe, tsy mihevitra Anao.
2. Tompo mahery no manampy ahy, tsy hanan-tahotra;
Izy no aro sy heriko, manohana ny fanahy.
Izy hamaly ny ratsy ataon'ny fahavaloko;
Aoka ny fahamarinanao, no handringanan’ azy.
3. Fanatitra an-tsitrapo no hoentiko ho Anao.
Tompo ô, tsara ny anaranao; izaho hidera Anao.
Satria namonjy ahy tam’ fahoriana rehetra Izy;
Ary faly ny masoko mijery / ny am’ fahavaloko.
Soratra Masina: Salamo 54:1-7
----------------
33. Raha izaho, dia Andriamanitra no antsoiko
1. Raha fahavalo no nanaraby, dia niaretako ihany;
Raha fahavalo no nirehareha; dia niery azy aho;
Fa ianao sakaiza, mpitari-dalana, nifankamamy resaka;
Niara-nandeha tamin’ny maro, tan-tranon’Andriamanitra.
2. Ny teniny toy rononomandry, nefa ady no ao am-pony;
Malemy toy ny diloilo, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
Jehovah Tompo ô, mitsarà, hampidina azy ho amin'ny loza;
Ny lalina sy ny maizina, no aoka handatsahany azy.
3. Am’ fahafatesana sy fasana, aoka hidina velona izy;
Fa faharatsiana no fonenany; tsy tambo isaina ny otany.
Fa izaho kosa, hiantso Anao, Jehovah no hamonjy ahy:
Hihaino Izy raha mitaraina, Aminy andro aman’ alina.
Soratra Masina: Salamo 55: 12-23
-------------------
34. Tandremo ny fivavako, Andriamanitra ô
1. Tompo o, henoy ny vavako, avy any am-paran’ tany;
Ary ento aho am’ Vatolampy avo / mba hitsaharako.
Fa aro sy fialofako Ianao eo imasom-pahavalo;
Aok’ aho hitoetra an-tranonao mandrakizay doria.
2. Jehovah nandre ny voadiko, lova marina nomeny,
izay matoky sy matahotra / ny anarany masina.
Jehovah hanalava ny andron’/ ny mpanjaka marina;
Hitoetra eo anatrehanao Izy, hanjaka am' rariny.
3. Raha reraka aho dia nivavaka, namaly ahy Izy;
Jehovah no fialofako eo imasom-pahavalo.
Ary izany no hankalazako / ny anarany masina;
Deraiko ny anarany, isan'andro efaiko ny voady.
Soratra Masina: Salamo 61: 1-8
----------------
35. Andriamanitra no vatolampiko sy famonjena ahy
1. Jehovah no vatolampiko, famonjena, fanantenako;
Andriamanitro irery / no iantombenan’ny fanahiko;
Izy no mandako; Tsy hangozohozo aho;
Izy no fialofana sy fiarovana avo ho ahy.
Mandra-pahoviana / no hanohy manota ny olona?
Nandrahona sy nitetika / ny ain’ny mpanjaka izy.
2. Zava-poana ny voninahiny, lainga no ifaliany;
Mitso-drano ny molony, fa manozona ny fony;
Na ny ambany na ny ambony, dia fofonaina mihelina;
Aza miantehitra amin'ny halatra sy fandrobana.
Avy amin'Andriamanitro ihany ny famonjena,
Ka tsy mba hangozohozo loatra aho noho izany.
3. Matokia ry fanahiko, miandrasa an'Andriamanitra;
Izy irery no antenaiko sy fialofako;
Izy no Vatolampiko, famonjena sy heriko;
Andriamanitra irery ihany no mpanafaka ahy.
An'Andriamanitsika / ny hery sy famindram-po;
Izy hamaly ny olona / rehetra araka ny asany.
Soratra Masina : Salamo 62: 1-12
-----------------
36) Mihirà amim-pifaliana sy miderà an’Andriamanitra
1. Mifalia, mihirà, derao Jehovah, r’ tany rehetra mihobia!
Omeo voninahitra sy haja Izy, ankalazao ny anarany!
Lazao amin'Andriamanitra hoe: mahatahotra ny asanao!
Ny fahavalo miaiky n’ herinao, n’ tany reh’tra hanompo Anao.
2. Avia, jereo ny asany lehibe, mah’tahotra sy mahagaga!
N’ ranomasina nanjary tany maina, ka niampita ny olona.
Koa aoka isika hifaly Aminy, ‘zay manapaka amin'ny heriny;
Ny masony mijery ny firenena; ka ts’ hisy hanandra-tena.
3. Misaora an'Andriamanitsika, r’ firenena miderà Azy!
Mankasitraha sy misaora Azy, Izay mitahy ny fiainana;
Ny tongotray tsy solafaka, nizaha toetra anay Hianao,
Ny fahavalo nampahory anay; nefa Hianao nanafaka.
4. Dia hankeo an-tranonao aho, hanefa ny voadiko;
Voady izay naloaky ny vavako, fony azom-pahoriana.
‘Nareo matahotra Azy mihainoa; ary mivavaha Aminy;
Hambarako izay nataon’i Jehovah / tamin’ny fanahiko!
5. Niantso an'Andriamanitr’ aho nitaraina, sy nihira fiderana;
Rah’ nankasitrak’ ota tam-poko aho, dia tsy nihaino ny Tompo.
Jehovah nihaino ny fivavako; isaorana anie Izy;
Izy tsy nandà ny fivavako, na ny fitiavany ahy.
Soratra Masina : Salamo 66: 1-20
---------------
37. Jehovah, aza mahafoy ahy!
1. Tompo mandrakizay, Izay fialofako, Vatolampiko sy aroko;
Ny sofinao Ray ô, atongilano; vonjeo amin'ny tsy marina aho.
Mpamonjy, tokiko Hianao, ho Anao mandrakizay ny dera;
Ny vavako hankalaza Anao; Jehovah ô! Aza mahafoy ahy,
2. Tompo mandrakizay, Izay harambatoko, Faingàna hamonjy ahy;
Hanantena, hidera Anao aho; Hilaza ny asanao lehibe.
Re’fa antitra aho, aza mahafoy ahy; mikas’ hamely ahy ny fahavalo;
Hoyizy: “Tsyhiaro azy ny Andriamaniny; Jehovah ô! Aza mahafoy ahy,
3. Tompo Mandrakizay, Ilay Mpamorona, Avo indrindra n’ fahamarinanao;
Nizaha toetra ahy Hianao, Nefa hamelona ahy indray.
Ny molotro hihoby, Tompo ô, raha mihira fiderana ho Anao;
Iray Masina nanavotra ahy, Jehovah ô! Aza mahafoy ahy,
Soratra Masina: Salamo 71: 1-24
------------------
38. Fa hatry ny fony aho tanora, Tompo ô!
1. Fa hatry ny fony aho tanora, Tompo ô, no nampianarinao;
Ary mandrak’anio aho manambara / ‘reo fahagagana vitanao.
Jehovah ô, aza mahafoy ahy, na antitra aho sy fotsy volo;
Mandra-p’lazako n’sandrinao mah’gaga / am' taranaka ho avy.
2. Ny fahamarinanao, Jehovah ô, avo mihoatra ny lanitra;
Tompo, Mpanao fahagagan-dehibe, iza no tahaka Anao?
Ianao no naneho ahy fitsapana mafy / ary fahoriam-be,
No indro hamelona ahy indray, / hampiakatra avy am’ lalina.
3. Ny fahalehibiazako sy ny heriko, Tompo, hampitomboinao;
Na malahelo na ampahoriana, dia Ianao no mpampionona ahy.
Ny vavako hidera ny fahamarinanao mandrakizay Tompo ô.
Am’ lokanga no hihirako ho Anao, ry Iray Masin'ny Isiraely ô.
Soratra Masina : Salamo 71:1-24
-----------------
39. Tsara ny anarany
Salamo 76: 1-12
1. Fantatra ao amin'ny Joda sy mahatahotra Jehovah; Ao amin'ny Isiraely lehibe ny anarany; Tao Salema, ny tranolainy naoriny; Ary tao Ziona ny seza fiandrianany. Tao no notapahany ny zana-tsipìka, ny ampinga, ny sabatra ary ny fiadiana; Mamirapiratra Hianao Jehovah ô, sady be voninahitra noho ny havoana.
2. Reraka amin'ny ady ny mahery fo; ny mpiady renoky ny torimaso mahafaty; Ankona tsy nahetsika ny tànany ny mahery, tsy voavonjin’ny hery sy hafetseny. Ry Andriamanitr'i Jakoba ô, niteny mafy Hianao, nibaiko ny kalesy sy ny soavaly; Iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny tafio-drivotrao?
3. Avy any an-danitra Andriamanitra nitsara; ny tany nihorohoro, sina, natahotra; Ny mpandefitra amin’ tany Jehovah hamonjy; manao fitsarana marina Izy. Aoka izay rehetra manodidina Azy, hitondra fanatitra ho eo Aminy, Jehovah manapaka ny mpanjakan’ny tany; Izy ‘lay Mpanjaka mahatahotra.
Soratra Masina: Salamo 76:1-9
----------------
40. Ry Mpiandry tsara ny Israely ô!
Soratra Masina : Salamo 80
1. Ianao ‘lay Mpiandry tsara ny Isiraely ô; Henoy ny vavakay, ankasitraho izahay; Hianao nitondra an'i Josefa, sy Mpitarika ny lalany; Eo am’ kerobima, ny voninahitrao mamirapiratra. Eo imason'i Efraima, Manase ary Benjamina, Fohazy ny herinao, k’ avia hamonjy anay.
2. Mandra-pahoviana re ny fahatezeranao, ry Jehovah Tompon' maro ô, raha mivavaka ny olonao? Mofo len-dranomaso no nomenao hohaniny; ary ranomaso tovozina mba hosotroiny. Ny fankasitrahanao omeo, ny fahasoavanao ampodio; Dia hiaina am’ fahazavan'ny tavanao izahay.
3. Nataonao ho fifandirana ho an'ny mpiara-monina izahay; Ireo fahavalonay mifaly handatsa anay. Ry Andriamanitry ny Isiraely ô, ampodio izahay; Jereo avy any an-danitra, vangio ity voalobokao; Tsy hirenireny intsony izahay, na hitafy henatra; Vonjeo izahay, Jehovah ô, fa ny anaranao no antsoinay.
Soratra Masina : Salamo 80: 1-19
------------------
41. Ry Mpiandry ny Israely ô! Mihainoa.
Salamo 80
1. Ry Mpiandry tsaran'ny Isiraely ô, am’ fotoan-tsarotra mihainoa, Izay mitarika ny taranak'i Josefa / malalanao toy ny andian'ondry. Izay mipetraka eo amin'ny kerobima / mamirapiratra, Ampamirapirato aminay ny tavanao, ny fahavalonay omeo tahotra.
2. Anoloan'i Efraima sy Benjamina / ary eo imason'i Manase; Avia fohazy ny herinao, aoka ny herinao hamonjy anay. Ampodio aminay ny fahasoavanao, Andriamanitra Mpamonjy ô; Ampamirapirato aminay ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
3. Jehovah Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana re / no hanetroka amin’ fivavaky ny olonao / ny fahatezeranao? Ampodio aminay ny fahasoavanao, ry Andriamanitra Mpamonjy ô; Ampamirapirato aminay ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
Soratra Masina : Salamo 80: 1-19
----------------
42. Derao Jehovah amin'ny Salamo!
“Mihirà mafy ho an’Andriamanitra herintsika — Salamo 81:1
1. Derao Jehovah amin'ny Salamo;
Mihirà ho an'Andriamanitr'i Jakoba;
Asandrato ny hira sy feo mifaly,
Tendreo ny valiha sy lokanga.
Tsofy ny trompetra, velezo ny amponga,
amin'ny andro firavoravoana;
Didy sy lalàna notendren'i Jehovah
ho an'Isiraely izany.
2. Mihainoa, ry oloko, henoy ny feoko;
Izaho hananatra ny Isiraely;
Aza manana andriamani-kafa,
Izaho no Andriamanitra nanafaka.
Tojo fahoriana ianao dia niantso;
Izaho namonjy ny Isiraely.
Andriamanitra namaly azy mangingina;
kotrokorana no nandidiany azy.
3. Izaho no Andriamanitra nitondra anareo
nivoaka avy tany Egypta;
Henoy ry Isiraely, sokafy ny vava;
hofenoiko tokoa izany.
Fa Isiraely tsy nihaino an'i Tompo;
nandà ny lalany izy ireo;
Ô, raha nankatò izy ireo, dia ho
nanafaka azy tokoa Andriamaniny.
4. Derao Jehovah amin'ny Salamo;
Mihirà an'Andriamanitr'i Jakoba;
Asandrato ny hira sy feo fifaliana,
Tendreo ny valiha sy lokanga.
Tsofy ny trompetra, velezo ny amponga,
amin'ny andro firavoravoana;
Izany no didy sy lalàna notendren'ny
Andriamanitry ny Isiraely.
Tonony: Salamo 81: 1-16
Mozika: Dwight Armstrong
-----------------
43. Mihirà fiderana ho Azy!
1. Mihobia an’i Jehovah amin'ny Salamo; mihirà fiderana ho Azy! Velezo ny amponga, tendreo ny lokanga, manaova feo fifaliana! Didy sy lalàn'Andriamanitra izany, nataony ho antsika, Amin'ireo fotoana voatendriny hotandremana, no hiravoravoantsika Aminy!
2. Tsofy ny trompetra; hirao ny Salamo; mifalifalia ho Azy! Nanafaka antsika tamin'ny fahotana Izy, namonjy tamin'ny tanin'i Egypta! Tamin'ny fanandevozana niantso Azy isika; nihaino sy namaly antsika Izy; Avy tam’ kotrokorana no namaliany antsika: "Mihainoa, ry oloko ô, henoy ny teniko!"
3. ‘Nefa tsy nety nihaino ny olony; tsy nihaino ny feony izy; Ny lalany ihany no tiany hodiavina, nanaraka ny ditry ny fony. "Enga anie hihaino ny feoko ny oloko / ka handeha tamin' lalako izy! Dia hamonjy azy faingana Aho, haninjitra ny tanako hamely ny fahavalony!"
Soratra Masina: Salamo 81: 1-16
------------------
44. Ry Tompon'ny maro ô, Mpanjaka sy Andriamanitro!
Salamo 84: 1-11
1. Ry Mandrakizay, Tompon'ny maro ô! ny foko mitaraina aminao; ny fanahiko maniry mafy / ny kianja sy Tabernakelinao. Ny tsikirity mahita trano ho azy, ary ny sidintsidina mahita ny akaniny, Hotahina izay monina ao aminao, ry Tompon'ny maro ô, Mpanjaka sy Andriamanitro!
2. Ao an-tranonao hotahina ny rehetra; hihira fiderana ho Anao mandrakizay! Hotahina sy ho sambatra ny olona / izay manana ny Tompo Andriamaniny ho heriny. Eny am-pandehanana miampy hery izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamaniny; Henoy ny fivavako Andriamanitr'i Jakoba ô, ry Tompon'ny maro ô, Mpanjaka sy Andriamanitro!
3. Ankehitriny, Jehovah ampinganay, jereo ny voahosotrao; Henoy ny fivavako Jehovah ô; Andriamanitr'i Jakoba ô, mihainoa; Tsara kokoa ny andro iray an-tranonao, noho ny andro arivo any ivelany; Tsara kokoa ny andro iray an-tranonao, ry Tompon'ny maro ô, Mpanjaka sy Andriamanitro!
Soratra Masina: Salamo 84: 1-11
----------------------
45. Endrey ny hatsaran’ny fonenanao
Salamo 84
1. Endrey ny hatsaran'ny fonenanao, ry Andriamanitra mandrakizay! Maniry Anao ny fanahiko, reraka, ry Andriamanitra velona ô. Ny vorona efa nahita ny tranony, nanao akanim-borona ho an’ny zanany; Enga anie aho hahita ny alitaranao, ry Tompo Andriamanitro Mpanjakako!
2. Endrey ny hatsaran'ny fonenanao, ry Andriamanitra mandrakizay! F’ izay monina ao an-tranonao, dia hidera Anao mandrakizay! Sambatra sy ravo ny olona, izay manana ny heriny ao Aminao; Matanjaka isan'andro izy, ary honina ao Ziona!
3. Endrey ny hatsaran'ny fonenanao, ry Andriamanitra mandrakizay! Henoy ny fivavako, ry Andriamanitry ny Isiraely ô; Fa tsara kokoa ny andro iray miaraka Aminao, noho ny arivo andro hafa; Enga anie hahita ny alitaranao aho, ry Tompo Andriamanitro Mpanjakako!
Soratra Masina: Salamo 84: 1-11
------
46. Mandra-pahoviana Jehovah ô, no hiery Hianao?
Salamo 89: 1-52
1. Mandra-pahoviana Jehovah ô, no hiery Hianao? Mirehitra toy ny afo va / ny fahatezeranao? Toy ny zava-poana / ny olona, nahoana? Tsarovy Jehovah ô, fa mihelina ny androko.
2. Iza no olona ho velona / ka tsy ho faty? Iza no afa-mandositra / ny herin'ny fasana? Aiza ny fitiavanao fahiny, ry Andriamanitro ô? Izay tamin'i Davida, efa nianiananao.
3. Tsarovy, Jehovah ô, latsaina ny mpanomponao; Ankehitriny aza aho / dia esoin'ny firenena; Ny fahavalonao mandatsa / ny olom-boafidinao; Jehovah ô, hisaoranay / mandrakizay, amena.
Soratra Masina: Salamo 89: 1-52
---------
47. Ry Ziona, voaorina ao an-tendrombohitra masina
Salamo 87
1. Ry Ziona voaorina, ao an-tendrombohitra masina, Jehovah Mpanao anao, dia tia anao; Nifidy anao Izy, ry sarobidy indrindra, Ny Avo Indrindra / no mampitoetra anao; Tanànan'Andriamanitra, tanànan'Andriamanitra, Zava-malaza / no anambarana anao.
2. Firenena maro sy foko maro, no ho isan’izay mahalala ny Tompo; Tsy ho ela dia ho fantany fa / Ziona no tena tanindrazany. Andriamanitra Tsitoha, Tompon'ny maro, ireo samy efa teraka teo.
3. Jehovah hanisa ny firenen-drehetra, hahita zanakalahy sy zanakavavy Izy, Teraka ho am’ fiainana / tsy manam-petr’ ao Ziona; Ho hiram-pifaliana / no horedoniny. "Ziona voatahy, Ziona voatahy, Ny loharanonay dia ao aminao.”
Soratra Masina : Salamo 87: 1-7
--------------------
48. Tompo ô, famonjena anay hatramin'ny taloha Hianao
Salamo 90: 1-4; Salamo 93: 2
1. Tompo ô, famonjena anay hatramin' taloha, / fanantenanay amin’ny ho avy; Fialofanay am' rivotra mahery, / sy fonenanay mandrakizay.
2. Talohan' niorenan'ny tendrombohitra, / na ny endriky ny tany, dia Andriamanitray hatramin'ny taloha / Hianao, ka ho mandrakizay.
3. Ny arivo taona eo imasonao, / dia toy ny fandalon’ny omaly; fohy toy ny fotoam-piambenana / iray amin'ny alina.
4. Tompo ô, famonjena hatramin'ny taloha, / fanantenanay amin’ny ho avy, Aoka Ianao hiambina anay amin' olana, / sy ho fonenanay mandrakizay.
Soratra Masina : Salamo 90: 1-4; Salamo 93: 4
---------------------
49. Tsara tokoa ny misaotra an'i Jehovah
Salamo 92: 1-15
1. Tsara tokoa ny misaotra an'i Jehovah, sy ny hankalaza ny anarany,
Ary hanambara ny famindram-pony / nony maraina, sy ny fahatokiany nony alina.
Amin’ny valiha tory folo miderà, / amin'ny feon-dokanga mihirà mafy ho Azy;
Ny asan’ny tananao no hihobiako, / Jehovah ô, ny asanao lehibe no hiraiko!
2. Lehibe ny asanao, Jehovah ô; / lalina ny fisainanao, ry Avo Indrindra ô;
Ny ketrina sy adala dia tsy hahalala / na oviana tsy hahatakatra ny lalanao.
Mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, / mamony vetivety ny mpanao ratsy;
Nefa samy hongotana sy haringana avokoa / izy rehetra, fa Jehovah no avo mandrakizay!
3. Ny marina hamololona toy ny rofia; / ka hisandrahaka toy ny sedera izy;
Fa nambolena tao an-tranon'Andriamanitra, / ary ao an-kianjany dia hitombo izy.
Na amin'ny fahanterany aza dia hamoa; / mandrakizay maitso, hanorobona;
Fa Vatolampy mandrakizay, / mahatoky Jehovah Tompo marina!
Soratra Masina : Salamo 92: 1-15
------------------
50. Tonon-kira amin’ny andro Sabata
Salamo 92: 1-15
1. Tsara ny hidera an'i Jehovah sy hankalaza ny anarany. Ambarao isa-maraina ny fitiavany, ny fahamarinany nony alina. Mihirà amin'ny feon’ny valiha tory folo, tendreo ny lokanga, mihobia. Jehovah, Tompo sy Mpanjakantsika, eo anatrehany mifalia!
2. Tompo Avo Indrindra no deraintsika; ny asany no isaorantsika. Ny ratsy fanahy dia handà Azy, ny Lalany tsy ho fantany. Fa ny ratsy fanahy dia mitsiry toy ny ahitra, ka miroborobo vetivety. Nefa haringana avokoa izy rehetra, fa Jehovah no avo mandrakizay.
3. Ny marina dia hohatanjahiny; hisandrahaka eo ambany fiahiany. Nambolena ao an-tranon’i Jehovah, ary fantatra eo an-kianjany. Hanorobona sy hamoa be izy, ary hamoa na dia efa antitra aza. Vatofantsika sy Vatolampintsika Izy, Tompo tsara sy marina.
Soratra Masina: Salamo 92: 1-15
------------
51. Fa Tsara ny Midera Anao
Salamo 92: 1-15
1. Fa tsara ny mankalaza sy ny misaotra Anao, ry Avo Indrindra ô. Hanambara ny famindram-ponao / am' fiposahan’ny maraina. Hanambara ny fahamarinanao / rehefa tonga ny alina; Amin’ lokanga sy ny valiha, izahay hidera Anao.
2. Fenoinao fifaliana ny foko, tamin'ny asan'ny tananao; Nataonao mpandresy izahay, lalina ny fisainanao. Jehovah ô, avo mandrakizay Hianao, / manjaka mandrakizay Hianao. Ho ringana avokoa ny fahavalonao, ny ota hoesorina tsy ho imasonao.
3. Ny marina hitoetra eo anatrehanao, nambolena an-tranonao; Hamoa sy ho maitso mandrakizay, hovelomin' fahasoavanao. Noho ny hatsaram-ponao ho an'ny marina, / Tompo ô, asehoy n’ fahamarinanao; Vatolampy, hery, fialofako Jehovah, Mahitsy sy marina ny lalanao.
Soratra Masina: Salamo 92: 1-15
------------
52. Avia, ary aoka isika hivavaka Aminy
Salamo 95: 1-7
1. Avia isika hihira ho an'i Jehovah, Vatolampy famonjena antsika! Hanandram-peo sy hifalifaly, amin'ny fiderana Azy! Eo anatrehany dia aoka isik’ / hisaotra sy hidera Azy; Hankalaza Azy noho ny am’ fahasoavany, ary koa hanao feo fifaliana!
2. Jehovah, Andriamanitra mahery sy Mpanjaka, / ambonin'ny andriamanitra rehetra; Eo an-tànany ny halalin'ny tany, Azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina malalaka, fa Izy no nanao azy; Azy koa ny tany maina noforonin’ny tànany, / ny endriny nohavaoziny.
3. Avia, aoka isika hivavaka amin’i Jehovah, aoka isika hiankohoka; Handohalika anatrehan’Ilay Mpanao antsika, / aoka isika hiankohoka. Satria Izy irery no Andriamanitsika, ary isika no olony; Olona fiandriny sy ondry tandremany, eo ambany fiahiany mahery.
Soratra Masina: Salamo 95: 1-7
---------------
53. Avia, aoka isika hihira ho an'i Jehovah
Salamo 95: 1-7
1. Avia, aoka isika hihira ho an'i Jehovah; avia, isika rehetra / Hihoby sy hifaly ho an'ny Vatolampy / famonjena antsika. Aoka isika hanatona eo anatrehany / hisaotra sy hidera Azy; Hankalaza Azy noho ny am’ fahasoavany, / ary hanao feo fifaliana!
2. Fa Jehovah dia Andriamanitra, Mpanjaka lehibe / ambonin'ny andriamanitra rehetra. Eo an-tànany ny halalin'ny tany, Azy ny tendrombohitra avo. Azy ny ranomasina malalaka, f’ Izy no nanao azy; Ny tany maina koa dia noforoniny / ny endriny nohavaoziny.
3. Avia, aoka isika hivavaka Aminy, aoka isika hiankohoka, Handohalika anatrehan'i Jehovah Tompontsika, aoka isika hiankohoka. Fa Izy irery ihany no Andriamanitra, ary isika no olony, Ary ondry tandremany eo an-kijanany, andian'ondry eo ambany fiahiany.
Soratra Masina: Salamo 95: 1-7
P.O. Box 770261, Cleveland, OH 44107
------------------------
54. Manjaka mandrakizay ny Tompo!
Salamo 97: 1-12
1. Mandrakizay manjaka Jehovah, aoka isika hiravo! Aoka ny firenen-drehetra / eto an-tany dia hifaly! Manodidina Azy rahona sy aizina, / ary afo no eo alohany; Ny tendrombohitra miempo toy ny savoka / amin'ny fiverenany.
2. Ny helany manazava ny tany; izay mahita mihorohoro! Ny lanitra eny ambony maneho / ny fahamarinany! Izay manompo sarin-javatra voasokitra / dia ho menatra. Ziona miravoravo ary Joda mifaly!
3. Andriamanitsika dia ambonin'ny / andriamanitra rehetra! Avo ambonin'ny firenen-/drehetra Izy! Hiaro ny olony masina Izy, / dia izay tia Azy; Mifalia ianareo olo-marina, / misaora an’i Jehovah!
Soratra Masina: Salamo 97: 1-12
------------------------
55. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah
Salamo 98:1-9
1. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, f’efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy sandriny masina / no nahavitany fandresena. Jehovah Andriamanitra no efa nampahafantatra / ny asa famonjeny; Ny fahamarinany no efa nasehony / teo imason'ny firenena.
2. Ny fahasoavany sy ny fahamarinany / ho an'ny Israely dia tsaroany; Ny famonjena lehibe avy am’ Jehovah / no hitan'ny vazan-tany. Mihirà ho an'Andriamanitra ry tany rehetra, ka velomy ny hoby. Asandrato ny feonareo ka miderà / Azy ary mifalia.
3. Am’ lokanga, am’ lokanga sy ny feon'ny Salamo, / mihirà ho an'Andriamanitsika; Am’ trompetra sy ny anjomara dia mihobia / eo anatrehan'ny Tompo Mpanjaka. Aoka ny ranomasina sy izao rehetra izao / hirohondrohona; Ary aoka hiteha-tanana ny riaka / ary hifaly ny tendrombohitra.
4. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, / f’efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy sandriny masina / no nahavitany fandresena. Eo anatrehan' Jehovah Tsitoha mifalia, / hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao am’ fahamarinana, / ary ny olony am’ fahitsiana.
Soratra Masina : Salamo 98:1-9
------------------------------
56. Mihobia sy mifalia!
Salamo 98
1. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, / fa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy sandriny masina / no nahavitany fandresena! Jehovah, Izay namonjy azy, / no nampahafantatra izany; Ny fahamarinany ampahibemaso, / teo imason'ny firenena, nasehony.
2. Ny fahasoavany sy ny fahamarinany / ho an'ny Isiraely dia tsaroany; Ny famonjena lehibe avy am’ Jehovah / dia hitan'ny vazan-tany! Aoka hihoby ny tany rehetra / hanao feo fifaliana ho Azy; Asandrato ny feonareo ka miderà / ho Azy, mifalia!
3. Am’ lokanga, am’ lokanga sy ny feon'ny Salamo, / mihirà ho an'i Jehovah! Am’ trompetra sy anjomara mihobia / anatrehan'i Jehovah Mpanjaka. Aoka ny ranomasina sy izao rehetra izao, / hirohondrohona; Aoka hiteha-tanana ny riaka ka hifaly / ny tendrombohitra!
4. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, fa nanao fahagagana Izy! Ny tanany ankavanana sy sandriny masina / no nahavitany fandresena! Mifalia, ry tendrombohitra, eo anatrehan'i Jehovah; / avy hitsara ny tany Izy! Izy hitsara izao tontolo izao am’ fahamarinana, / ary ny olony amin'ny hitsiny.
Soratra Masina: Salamo 98: 1-9
-------------------
57. Mpanjaka Masina, Mahery
Salamo 99: 1-9
1. Ny Mandrakizay Mpanjaka avo ambony; / mahery Izy, lehibe Izy! Mipetraka amin’ny kerobima Izy; / aoka ny olona hidera ny anarany! Mpanjaka tia ny rariny Izy! / Mampitoetra ny fahitsiana. Manandrata, miankohofa eo amin’ny Mandrakizay! / Mpanjaka Masina, Mahery!
2. Ny Mandrakizay dia Andriamanitra sy Mpanjaka, / ary niteny tam’ mpisorony Izy; Tao amin'ny andry rahona Izy no niteny, / tamin'izay nitandrina ny lalàny. Mosesy dia mpisorony, ary Arona koa; / izy ireo nankalaza an'Andriamaniny. Samoela koa niantso ny anarany; / Jehovah nihaino ka namaly azy.
3. Ry Mandrakizay ô, namaly azy ireo Ianao; / namela heloka, namaly ny nataony; Koa asandrato Ilay Andrian-Tokana Mandrakizay, / Izay lehibe indrindra ao Ziona! Mpanjaka Izy ary mampitoetra ny rariny; / mitsara amin’ny fahamarinana; Manandrata, miankohofa eo amin’ny Mandrakizay! / Mpanjaka Masina, Mahery!
Soratra Masina : Salamo 99: 1-9
-------------------
58. Mihirà ho an'i Jehovah amin'ny fifaliana
Salamo 100: 1-5
1. Ry olon-drehetra monina eto an-tany, / Mihirà ho an'i Jehovah am’ feo mifaly! Manompoa Azy amin'ny fifaliana; / mihobia eo anatrehany am’ fiderana! Fantaro fa Jehovah no Andriamanitra marina; / Izy irery no namorona antsika; Andian’ondriny isika; Izy no mpiandry antsika, / Dia olony sy ondry fiandriny.
2. Midira am’ vavahadiny amin'ny fisaorana; / ary eo an-kianjany am’ fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany, / fa mendrika izany, tsara Izy. Fa tsara mandrakizay Andriamanitra, / fa mandrakizay ny famindram-pony; Ny fahamarinany dia mandrakizay, ary haharitra mandrakizay.
Soratra Masina : Salamo 100: 1-5
----------------
59. Avia eo anatrehany
Salamo 100:1-5
1. Mankanesa eo anatrehan’i Jehovah am’ fihirana; / mihobia Azy amin’ny fifaliana. Avia ka manompoa Azy amin'ny fo falifaly, / miderà Azy amin'ny fo iray. Mankanesa eo anatrehany am’ fisaorana, / sy fiderana eo am’ seza fiandrianany. Derao mandrakariva Izy; ary misaora Azy; / ankalazao ny anarany amin’ny andro iainanao.
2. Mankanesa eo anatrehany am’ fihirana; / mihobia, mifalia ry tany rehetra. Andriamanitra, Tompontsika, no nanao antsika / tamin'ny herin'ny didiny. Mihirà eo anatrehany eo an-kianjany, / rehefa mivavaka Aminy am’ fiderana. Mankanesa eo anatrehany am’ fihirana, / raha manandratra ny fo sy feo isika.
3. Eny, maharitra mandrakizay ny fahamarinany, / ary mandrakizay ny famindram-pony. Andriamanitra Mandrakizay Jehovah, / Ray mpamindra fo sy tsara Izy: Izy no nanao antsika; olony isika; / Ary ny ondriny manaraka ny feony. Mankanesa eo anatrehany am’ fihirana; / avia eo anatrehany am’ fifaliana.
©Jutsum, Ross F., State of the Heart Productions,
P.O. Box 56, Sierra Madre, CA 91204.
Used by permission
Soratra Masina: Salamo 100:1-5
___________________
60. Hanjaka Mandrakizay Izy!
Salamo 102: 1-28
1. Jehovah ô, Henoy ny fivavako; / ny tavanao aza afenina ahy; Henoy, faingàna hamaly ny tarainako, / amin’ny andro fahoriako. Tahaka ny ahitra malazo ny foko, / levon-ko setroka ny androko; Jehovah ô, aza maka ny aiko, / antenantenan’ny androko.
2. Toy ny vorondolo an-tanànaolo aho, / mahantra, mitomany, tsy mahita tory; Toy ny fody malahelo aho, / toy ny sama manirery. Ray Mandrakizay ô, henoy aho, / ary valio faingana; Aza manafina ny tavanao amiko, / fa mitomany mafy aho.
3. Rehefa miverina avy any an-danitra Izy, / dia haorina Ziona; Jehovah ho avy amin'ny voninahiny; / hanampy ny mahantra Izy. Tsy hohamavoiny ny fivavahany; / hohenoiny ny fitarainany; Handry fahizay ireo olony, / fa hiverina Andriamanitsika.
4. Rehefa tafangona ny firenena / mba hanompo an'i Jehovah, Ao Ziona hambara ny anarany, / ao Jerosalema no hiderana Azy! Hanompo Azy ny fanjakana maro, / handre ny anarany ny tany rehetra! Amin'izay no hambara ny lazany, / Izy hanjaka mandrakizay!
Soratra Masina Salamo 102: 1-28
--------------------------
61. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko
Salamo 103: 1-22
1. Misaora an'i Jehovah ry fanahiko / sy izay rehetra ato anatiko; Misaora ny anarany, ary aza adinoinao, ny famindram-pony ambarao.
2. Izay mamela ny helokao sy / manasitrana ny aretinao; Izay manavotra am’ fandringanana, sy manarona amin’ny fiantrany.
3. Ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana, / no anesorany ny fahotantsika; Toy ny fiantran’ny ray ny zanany, / ny fiantran’ny Ray ny olony.
4. Ny famindram-pon’i Jehovah, / dia hatram’ taloha ka ho mandrakizay; Ny fahamarinany mihatra, / amin’izay matahotra Azy.
5. Ho an'izay mitandrina ny fanekeny / sy mitandrina ny lalany; Izay mahatsiaro ny fitsipiny / sy mankato ny didiny.
6. Ry asany rehetra eran’ny fanjakany / misaora ny anarany; Izy no manapaka izao rehetra izao. / Misaora ny Ray, ry fanahiko.
Soratra Masina : Salamo 103: 1-22
--------------------------
62. Misaotra ny Mpanavotra antsika
Salamo 103: 1-22
1. Isika misaotra Ilay Mpanavotra; Mfaly sy mihoby ny anarany isika! Derao ny Mpamonjy ary aza adino, / ny famindram-pony ambarao.
2. Jehovah mamela ny fahotantsika; / Izy manasitrana ny aretintsika. Manavotra ny ainao am’ fandringanana Izy, / sy manarona am’ famindrampony.
3. Ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana, / no anesorany ny fahotantsika. Mihoatra ny fitiavan'ny ray ny zanany, ny famindrampon’ny Tompo amintsika.
4. Derao Jehovah ry zavaboariny! / Mifalia, hobio ny anarany. Izy no Tompo sy Mpiandry tsara, Izay tsy miova mandrakizay.
Soratra Masina : Salamo 103: 1-22
©Tannert, Ann. Used by permission
------------------------
63. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko!
Salamo 103 : 1-22
1. Misaora an'i Jehovah Mandrakizay, ry fanahiko,/ misaora ny anarany masina! Ary aza adino ny soa rehetra nataony / tamin'izay matahotra ny anarany. Mamela ny helotsika rehetra Izy; / manasitrana ny aretintsika; Manavotra ny aintsika tsy hidina any an-davaka / sy manarona am’ famindrampony!
2. Misaora an'i Jehovah Mandrakizay, ry fanahiko,/ aoka ny lanitra hidera ny anarany! Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin'ny / tany ny famindram-pony. Tsy mba araka ny haben’ny fahotantsika / no hamalian’i Jehovah antsika; Fa tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana / no anesorany ny fahotantsika !
3. Misaora an'i Jehovah Mandrakizay, ry fanahiko,/ aoka ny anjely hidera ny anarany! F’any an-danitra no misy ny seza fiandrianany,/ ary avy any no anapahany ny tany. Jehovah no manarona amin’ny famindrampony / izay rehetra ampahoriana; Fa tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny / tany ny famindram-pony!
4. Misaora an'i Jehovah Mandrakizay, ry fanahiko,/ fa maharitra mandrakizay ny fitiavany! Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranak’ / izay mitandrina ny fanekeny. Mamony tahaka ny voninkazo ny olombelona, / ary tahaka ny ahitra ny androny; fa manavotra ny aintsika am’ fahafatesana Izy / sy manarona am’ fitiavany!
Soratra Masina : Salamo 103 : 1-22
© Tannert, Ann. Used by permission
71. Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalany?
Salamo 119: 9-119
1. Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalany? / Fahazavana inona no ho mpitari-dalana azy? Ny fitandremana araka ny Teninao, Tompo ô, / no hampahendry azy, raha matoky izy ireo.
2. Nitady Anao tamin’ny foko rehetra aho, / Tompo ô, aza avela hiala amin’ny didinao; Ampahafantaro ny sitraponao, tsy hanotako Aminao. / Ankamamiko ato am-poko ny Teninao.
3. Ampianaro ahy ny lalànao, Tompo ô! / Ny fitsaranao marina no hambarako; Ny teni-vavolombelonao no ifaliako, / fa harena tsy manan-tsahala izany.
4. Ireo didinao no hosaintsainiko, / Ny foko dia hitandrina azy amin-tahotra; / Ny Teni-vavolombelonao no hifaliako, / ary tsy mba hohadinoiko ny lalànao.
Soratra Masina: Salamo 119: 9-119
-----------------------------------------------
72. Endrey ny fitiavako ny lalànao!
Salamo 119: 97-119
1. Endrey ny fitiavako ny lalànao! / mandrakizay ato amiko ireny;
Fisaintsainako mandritra ny andro / ireo fitsipikao.
Ny tongotro narovanao / tam' fanaon'izao tontolo izao;
Nomenao fahendrena aho / tamin'ny didinao marina.
2. Endrey ny fitiavako ny lalànao! / mandrakizay ato amiko ireny;
Manam-pahalalana mihoatra / noho ny antim-panahy aho.
Ny didinao no ankahalako / ny lalam-pitaka rehetra;
Manam-pahendrena be aho satria / mitoetra ao amin'ny lalànao.
3. Endrey ny fitiavako ny lalànao! / mandrakizay ato amiko ireny;
Ny didinao no mampahendry ahy / mihoatra noho ny fahavaloko.
Endrey ny hamamin'ny teninao, / mihoatra noho ny tantely!
Ampitoero am’ fitsaranao / aho ry Mandrakizay ô!
Soratra Masina :
Salamo 119: 97-119
---------------------------------------------------------
73) Endrey ny Fitiavako ny Lalànao, Tompo ô
Salamo 119:9-119
1. Tompo ô, endrey tiako ny lalànao! / Fifaliako ny fahamarinany; Fanilo manazava ny tongotro, handreseko ny fahavaloko.
Fiverenana:
Mamiko kokoa ny teninao, noho ny teny hafa rehetra; Ny fahamarinanao no fanilo manazava, / mankahala lainga, fa tia ny rariny.
2. Ny didinao no ato am-poko / loharanom- pahendrena sy fahamarinana; Mampahazava ny maso ny didinao, mihoatra noho ny mpampianatra ahy.
Fiverenana:
Mamiko kokoa ny teninao, noho ny teny hafa rehetra; Ny fahamarinanao no fanilo manazava, / mankahala lainga, fa tia ny rariny.
3. Raha mankatò ny teninao ny foko, / dia voaaro amin' lalan-dratsy aho; Amin'ny lalànao no hitarihanao ahy, dia tsy mba hihemotra aho.
Fiverenana:
Mamiko kokoa ny teninao, noho ny teny hafa rehetra; Ny fahamarinanao no fanilo manazava, / mankahala lainga, fa tia ny rariny.
4. Ny foko hiboiboika fiderana Anao, / hihira ny halehiben’ny lalànao; Ny teninao no hatahorako, Endrey tiako ny lalànao!
Fiverenana:
Mamiko kokoa ny teninao, noho ny teny hafa rehetra; Ny fahamarinanao no fanilo manazava, / mankahala lainga, fa tia ny rariny.
Soratra Masina: Salamo 119: 9-119
© Graham, Mark.
P.O. Box 770261, Cleveland, OH 44107
--------------------------------------------------
74. Halako ny fisainana zava-poana
Salamo 119: 9-119
1. Halako ny fisainana zava-poana, fa tiako ny lalànao. Ianao no ampinga sy fiereko; ny teninao no ianteherako. Ianareo mpanao ratsy rehetra, mialà amiko; Satria ny didin'Andriamanitro / no hankatoaviko.
2. Tohano sy ampaherezo aho / amin’ teninao mahatoky; Mba ho velona amin’ fanantenanao, ka tsy ho menatra aho. O, tehirizo aho, ary mandrakariva / hifaly amin' sitrakao; Ka ny fitsipik’Andriamanitro / no hohajaiko indrindra.
3. Hataon'Andriamanitro tsinontsinona / izay miala amin'ny didiny; Ny laingany zava-poana avokoa, mamita-tena izy. Ny ratsy fanahy amin'ny tany / hatao tain-drendrika; Koa izany no itiavako ny lalànao / sy ny didinao madio.
Soratra Masina : Salamo 119: 9-119
--------------------------------------------------------
75. Manopy ny masoko an-tendrombohitra aho
Salamo 121: 1-8
1. Manopy ny masoko an-tendrombohitra aho, avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, mpanao ny lanitra sy tany. Tsy havelany hangozohozo ny tongotrao, tsy rendrehana ny Mpiaro anao; Miambina, tsy mba matory Izy, miaro ny olony.
2. Ny Mpiaro mahatoky dia Jehovah, Vatolampy sy Fialofana; Na masoandro amin’ny andro na volana amin’ny alina, dia tsy hamely anao. Izy hiaro anao amin'ny ratsy, Izy no hanohana anao; Mandrakizay hitari-dalana Izy, na mivoaka na miditra.
Soratra Masina : Salamo 121: 1-8
©
Graham, Mark. P.O. Box 770261, Cleveland, OH 44107.
Used by permission
-----------------------
C-76. RAHA TSY JEHOVAH NO MANAO NY TRANO
(Salamo 127:1)
1. Raha tsy Jehovah no manao trano, reraka foana ny mpanao azy;
Raha tsy Jehovah no miaro tanàna, dia zava-poana ny miambina
Zava-poana ny mifoha maraina, miaritory amin’ny alina,
Homana mofom-panahiana; Fa omeny tory ny malalany.
2. Lova avy amin’i Jehovah ny zaza, tamby ny ateraky ny kibo;
Ny zanaky ny fahatanorana no zana-tsipìkan’olo-mahery.
Sambatra izay mameno ny trano-tsipikany amin’ireny;
Tsy manan-tahotra akory, eo imasom-pahavalony.
3. Sambatra ny matahotra ny Tompo, mandeha amin'ny lalany;
Ny fisasarany tsy foana; Sambatra sy hambinina izy.
Ny vadiny voaloboka; ny zanany zanak’oliva.
Izay matahotra ny Tompo hahazo fitahiambe.
TONONY: Salamo 127, Salamo 128
FEONY: Dwight Armstrong
« Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina. » (Salamo 127:1)
------------------------------
77. Sambatra sy ambinina
Salamo 128: 1-6
1. Sambatra sy ambinina, izay matahotra an'i Jehovah; hahazo ny haniny isan'andro izy, ary ho voatahy ny asany. Ny vadiny ao an-tranony, toa voaloboka mahavokatra; Ary ny zanany toy ny hazo oliva, manodidina ny latabany.
2. Sambatra sy ambinina, izay matahotra an'i Jehovah; Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah Andriamanitra: Amin' andro rehetra hiainanao, Izy hitahy ny zanakao; Fahasoavana ho an'i Israely; any Jerosalema, fiadanana.
Soratra Masina : Salamo 128: 1-6
--------------------------------
78. Derao ny Anaran'i Jehovah!
Salamo 135: 1-13
1. Haleloia! Derao Jehovah! Derao ny anaran’Ilay Tomponao! Hianareo ao an-tranon'Andriamanitra / no hidera ny anarany eo an-kianjany! Derao ny Tompo, fa tsara Izy; miderà ny anarany! Jehovah no nifidy ny Isiraely / ho rakitra soa, sarobidy ho Azy.
2. Ambonin'ny andriamanitra rehetra Jehovah; izay sitrapony dia ataony, Na any an-danitra na etỳ an-tany, na any an-dranomasina na rano lalina; Mampiakatra zavona am’ faran'ny tany Izy; manao helatra sy ranon’orana; Ary Izy no namely tany Egypta / ny lahimatoan' olona sy ny biby.
3. Nanao famantarana sy fahagagan-dehibe / teo afovoan'ny tany Egypta Izy; Izy no namely firenena maro, nahafaty mpanjaka ho an'ny Isiraely. Lehibe ny anaranao Jehovah Tompo ô; lehibe mandrakizay ny lazanao! Hatramin'ny taranaka fara mandimby, no hahatsiarovanay Anao.
Soratra Masina : Salamo 135: 1-13
------------------------
C-79. NY FAMINDRAM-PONY TSY LEVONA
« Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. »
Salamo 136:1
1. Miderà an'i Jehovah; misaora ny Tompon’ny tompo;
Manao asa mahagaga Izy; ny tany sy ranomasina!
Isan'andininy
Derao Jehovah fa tsara Izy; lehibe ny asa ataony irery!
Ny famindram-pony maharitra; tsy levona mandrakizay!
2. Miderà an'i Jehovah, nanao mazava lehibe;
Ny andro nanaovany ny masoandro, ary volana sy kintana!
3. Miderà an'i Jehovah; fireharehan'i Egypta ravainy;
Ringany ny lahimatoany; fa Isiraely navotany!
4. Miderà an'i Jehovah; mpanjaka maro naringany;
Fa novonjeny Israely tamin’ny fahavalony!
TONONY: Salamo 136: 1-26
FEONY: Dwight Armstrong
------------------------
80. Teo amoron'ny onin'i Babylona
Salamo 137: 1-9
1. Teo amoron'ny onin'i Babylona / no nipetrahanay nitomany; Ny hazomalahelo nanantonanay lokanga; / Ry Ziona ô, nahatsiaro Anao izahay! Ireo namabo nangataka anay hoe: "Manaova hiran'i Ziona ankehitriny!" Ataonay ahoana no fihira ho an'i Jehovah / eo amoron'ny onin’i Babylona?
2. Raha manadino an'i Jerosalema aho, / aoka hanadino ny tanako ankavanana; Raha toa tsy mahatsiaro anao aho, / aoka hiraikitra amin'ny vavako ny lelako! F’izahay nahatsiaro an'i Jerosalema / fony teo amoron-dranon'i Ziona; Fa ambony indrindra amin'ny fifalianay / ny fahatsiarovana an'i Jerosalema.
3. Tamin'ny andro naharavan’i Jerosalema, / dia nanao hoe ny taranak'i Edoma: "Ravao izy, ka azerao amin'ny tany, / Ravao hatramin'ny fanorenany!" Ry Babylona zanakavavy resy, / ho avy ny fandravana anao; Sambatra izay mamaly anao, / tahaka ny nataonao taminay.
Soratra Masina: Salamo 137: 1-9
---------------------
80. Teo amoron'ny onin'i Babylona
Salamo 137: 1-9
1. Teo amoron'ny onin'i Babylona / no nipetrahanay nitomany; Ny hazomalahelo nanantonanay lokanga; / Ry Ziona ô, nahatsiaro anao izahay! Ireo namabo nanao taminay hoe: "Manaova hiran'i Ziona ankehitriny!" Ataonay ahoana no fihira ho an'i Jehovah / teo amoron'ny onin’i Babylona?
2. Aoka ny tanako ankavanana hanadino, / raha manadino an'i Jerosalema aho. Raha toa tsy mahatsiaro anao aho, / dia hiraikitra amin'ny vavako ny lelako! F’izahay nahatsiaro an'i Jerosalema / fony teo amoron’i Ziona; Fa ambony indrindra tam’ fifalianay / ny fahatsiarovana an'i Jerosalema.
3. Tamin'ny andro naharavan’i Jerosalema, / ny taranak'i Edoma nanao hoe: "Ravao izy, ka azerao amin'ny tany, / Ravao hatramin'ny fanorenany!" Ry Babylona zanakavavy resy, / ho avy ny andro handravana anao; Sambatra izay mamaly anao, / toy izay nataonao taminay.
Soratra Masina: Salamo 137: 1-9
-------------------------
81. Tompo ô, Hidera Anao aho
Salamo 138: 1-8
1. Hidera Anao am’ foko rehetra aho, Tompo ô; Hankalaza Anao anatrehan'ireo andriamanitra; Hiankohoka hivavaka eo amin' fitoeranao masina; Noho ny fitiavanao marina, hidera ny anaranao.
2. Ambonin'ny anaranao rehetra ny Teninao; Tamin’ny andro niantsoako Anao dia nihaino Hianao; Nampahery ny fanahiko Hianao Jehovah ô; Ny mpanjakan'ny tany handre ka hidera Anao.
3. Eny, handre ny lalanao izy, Jehovah ô; Dia hihira izy fa lehibe ny voninahitrao; Avo Andriamanitra nefa mijery ny mahantra; Fa ny mpirehareha hampialany amin'ny avo.
4. Na dia mandeha amin’ny fahoriana aza aho, Ny tananao ankavanana hamonjy ahy. Jehovah hahatanteraka ny fikasany ho ahy; Ny famindram-ponao haharitra mandrakizay.
Soratra Masina : Salamo 138: 1-8
------------------------------
82. Fivavak’ilay mpanompon’Andriamanitra
Salamo 143: 8-12
1. Tompo ô, ampianaro ahy / izay lalana tokony halehako;
F’aminao n’fanahiko no asandratro, afaho amin' fahavaloko aho.
Fialofako, fiereko ao aminao; ampianaro hanao ny sitrakao;
Fa Mandrakizay Hianao no Tompoko; tariho aho am’ Fanahinao tsara!
2. Afaho ny fanahiko, ary noho ny anaranao velomy aho;
Tariho any amin' tany fialofana aho, noho ny famindram-ponao.
Fongory ny fahavaloko ary aringano / izay mampahory ny fanahiko,
Andriamanitra Marina, Mandrakizay ô, / fa mpanomponao aho Tompo ô.
Soratra Masina : Salamo 143: 8-12
------------------------------
83. Tompo ô, Mpanjakako, Andriamanitro!
Salamo 145: 1-21
1. Tompo ô, Mpanjakako, Andriamanitro! / Hanandratra sy hidera Anao aho!
Hisaotra sy hihira amim-pifaliana / ny Anaranao Masina mandrakizay!
Be famindram-po Jehovah Andriamanitsika; / ao Aminy koa ny fahamoram-po;
Amin'ny famindram-po no hitahiany, / am’ fahari-po no hiantrany.
2. Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; / amin'ny asany rehetra ny famindram-pony;
Midera Anao ny asanao rehetra; / Ny olonao masina misaotra Anao,
Haneho ny voninahitry ny fanjakanao; / holazainy koa ny herinao;
Ny zanak'olombelona hahalala ny asanao, / fa be ny fahasoavan'ny fanjakanao.
Soratra Masina: Salamo 145: 1-21
------------------------------
84. Haleloia! Derao Jehovah!
Salamo 146
1. Mihirà ho an'i Jehovah; mihirà fiderana ho Azy; Aza matoky olombelona, fa tsy mahavonjy izy.
Fihirana:
Haleloia! Derao Jehovah! Andriamanitra no hanjaka! Mandrakizay hanjaka Izy, Ilay Mpanjaka sy Andriamanitsika!
2. Mihirà ho an'i Jehovah; mihirà fiderana ho Azy; Nanao n’ lanitra sy n’ tany Izy, Ny zavaboary sy ny ranomasina.
Fihirana:
Haleloia! Derao Jehovah! Andriamanitra no hanjaka! Mandrakizay hanjaka Izy, Ilay Mpanjaka sy Andriamanitsika!
3. Mihirà ho an'i Jehovah; aoka isika hanantena Azy; Mandrakizay dia marina Izy; Omeny rariny ny ampahoriana
Fihirana:
Haleloia! Derao Jehovah! Andriamanitra no hanjaka! Mandrakizay hanjaka Izy, Ilay Mpanjaka sy Andriamanitsika!
Soratra Masina: Salamo 146: 1-10
85. Mihirà hoe "Haleloia!"
Salamo 147: 1-20
1. Mihirà hoe Haleloia! Tsara hoderaina Jehovah; Fa mamy sady mendrika / ny mihira fiderana ho Azy. Ny mandan'i Ziona aoriny, mamory ny voaroaka Izy, Izy no mamehy ny feriny, manasitrana ny torotoro fo.
2. Milaza ny isan’ny kintana Izy, antsoiny ny anaran’izy rehetra; Ny heriny sy ny fahendreny / no ambaran’ny fahagagany. Hasandratra ny mpandefitra, ny mpiavonavona hampietreny; Misaora an'i Jehovah, ambarao ny fiderana Azy.
3. Tsy ny herin'ny olona no sitrany, na ny rehareha sy avonavona; Ny mpandefitra matahotra Azy no tiany, / ny fitiavany no itokiany. Derào Andriamanitrao ry Ziona ô; antenao ny famindram-pony; Vokisany fiadanana ianao, ny zanakao omeny fitahiana.
4. Ny lalàny sy ny fitsarany / no ampahafantariny ny olony; Amin'izy ireo ihany no tiany / hanehoana ny fahasoavany. Fa fahasoavambe sy famindram-po / no homeny am’ fideranao; Mandrakizay misaora Azy, mihirà hoe “Haleloia!”
Soratra Masina : Salamo 147: 1-20
-----------------------
86. Miderà an'i Jehovah
Salamo 148: 1-14
1. Miderà an'i Jehovah, miderà ry any an-danitra, miderà ry any an-danitra, miderà Azy any ambony! Miderà Azy ry anjely, sy ry miaramilany, masoandro sy volana sy kintana mazava! Miderà an'i Jehovah ry lanitry ny lanitra, lanitry ny lanitra, sy ny rano ambony. Izy no nandidy sy namorona azy, nametraka ny fetrany mandrakizay!
2. Miderà an'i Jehovah ry tany sy zavaboary, ny tany sy zavaboary, napetraka ara-drafitra. Ny biby sy ny vorona mandady na mikisaka, samy voatahy amin’ny karazana avy. Miderà an'i Jehovah r’ tendrombohitra sy havoana, tendrombohitra sy havoana, noharian’ny teniny. Ny zatovo lahy sy vavy, na antitra na tanora: miderà an'i Jehovah / fa tsara Izy!
3. Miderà an'i Jehovah ry mpitsara sy mpanapaka, mpitsara sy mpanapaka, mpanompo sy mpanjaka. Ny anarany irery ihany no misandratra, ary ny voninahiny any ambony. Manandratra ny tandroky ny olony Izy, ny tandroky ny olony, ny masiny hoderaina. Ry zanak’Isiraely, o mihainoa! Haleloia! Miderà ho Azy!
Soratra Masina : Salamo 148: 1-14
----------------------------------
87. Miderà an'i Jehovah
Salamo 148: 1-14
1. Miderà an'i Jehovah! Miderà an'i Jehovah! / Miderà ry any an-danitra, sy ry avy any ambony!
Miderà Azy, ry anjeliny sy ry miaramilany, / Ry masoandro sy volana, sy kintana mazava!
Ry lanitry ny lanitra, rano any ambony, Miderà an'i Jehovah, aoka hidera ny anarany!
Rehefa nandidy Izy, ireo dia noforoniny, / ny lalàny no mametra azy mandrakizay!
2. Miderà an'i Jehovah! Ry dragona sy rano lalina, / Havandra, rivo-doza sy afo, mankato ny teniny!
Etona sy lanezy, havoana, tendrombohitra, / ry hazo fihinam-boa, aoka hidera ny anarany!
Ny bibi-dia sy vorona, mandady na mikisaka, mpanapaka, mpitsara, mpanompo sy mpanjaka;
Zatovo lahy sy vavy, antitra sy tanora, Miderà ny anarany mandrakizay!
3. Miderà an'i Jehovah! Miderà an'i Jehovah! Miderà ry any an-danitra sy ry avy any ambony!
Miderà Azy, ry anjeliny, sy ry miaramilany, f’ambonin’ny lanitra ny voninahiny.
Andriamanitra manandratra ny tandroky ny olony; Izy manandratra ny olony masina;
Ireo no vahoaka akaiky an'i Jehovah; / Eny! Zanak'Isiraely ireo, Miderà an'Andriamanitra!
Soratra Masina : Salamo 148 : 1-14
--------------------------
88. Hihira ho an'i Jehovah aho
Eksodosy 15: 1-19
1. Hihira sy hidera an'i Jehovah aho; f’Izy nandresy tamim-boninahitra!
Izy naninjitra ny tanany ankavanana, ny fahavalo nariany tan-dranomasina!
Jehovah ô, famonjena lehibe ho ahy, Hianao no heriko sy fiderako!
Jehovah ô, Andriamanitry ny razako, Ianao efa nanafaka ny olonao!
2. "Hanenjika azy aho ka hahatratra azy, hisambotra azy ary hizara babo."
"Ny tanako hamongotra azy," hoy ny fahavalo; nefa ireo natelin’ny ranomasina!
Ny fofonainao nampiangona ny rano,
toy ny atontan-javatra, nandry ny lalina.
Ny ranomasina nisamboaravoara, nitelina an’i Farao sy ny miaramilany!
3. Ny firenena nandre ka nangovitra; natahotra izy ary nitebiteby;
Ny fahalehibiazanao sy ny voninahitrao, nandringananao ‘reo manohitra Anao.
Jehovah ô! Hianao nitondra ny olonao, namaky tany maina tany an-dranomasina,
Jehovah ô, noho ny famindram-ponao, Ianao nandresy ireo tam-boninahitra!
Soratra Masina: Eksodosy 15: 1-19
-------------------------
89. Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao
Deoteronomy 6: 4-25
1. ô Mihainoa, Mihainoa, ry Isiraely, fa hampianarina ianao: Mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, ary tsisy hafa f’Izy ihany.
Amin'ny fo sy fanahinao rehetra, amin'ny herinao dia tiavo Jehovah, Koa mihainoa, mihainoa, ry Isiraely ô, mba hitandremanao ireo didiny.
2. ô Mihainoa, Mihainoa, ry Isiraely, fa hampianarina ianao: Jehovah Andriamanitrao no mandidy sy miteny / mba ho aminao ny fitahiany.
Afehezo eo amin'ny tananao, sy ho famantarana eo ambony masonao; mba tsy hanadinoanao an'Andriamanitrao, sy hitandremanao ireo didiny.
3. ô Mihainoa, Mihainoa, ry Isiraely, fa hampianarina ianao: Mba hitandremanao ny lalàny ao am-po, ary ho mahatoky fa hampianatra ny zanakao.
Lazao aminy na andro na alina, na ao an-tranonao na eny an-dalana; ô Mihainoa, mihainoa, ry Isiraely, mba hitandremanao ireo didiny.
Soratra Masina: Deoteronomy 6: 4-25
--------------------------------